Notanterahina tao Antsirabe ny faha 24 Aprily 2025 ny fihaonamben’ireo mpikambana mamorona ny #FORMAGRI manerana ny Nosy ka anisan’izany ny #FIFATA izay mpampiantrano.
Isan’ny tanjona lehibe eo anivon’ny FORMAGRI ny fampihofanana ireo tantsaha mpitarika ho lasa matihanina kokoa ara-pamokarana sy hanam-pahalalana mahakasika ny fananan-tany, varotra ary ny ara-tontolo iainana. Mifanojo tanteraka amin’ny tanjonan’ ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga izany.
Nandritra ny kabary famaranana nataony ary dia nanamafy Rtoa #DRPEB_Vakinankaratra fa ny ekipa eo anivon’ny #MPEB dia afaka ny hifanome tanana eo amin’ny fampihofanana ireo mpiompy trondro sy ny fanarahamaso ireo mampihatra izany any amin’izay Faritra hiasan’ny ekipa FORMAGRI toy ny Amoron’i Mania, Bongolava, Matsiatra Ambony, Ihorombe, Itasy ary Vakinankaratra izay samy nahatonga solotena nandritra ity fihaonam-be ity avokoa.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *