Vina lehibe izay napetraka ary Anisany ho tratrarintsika ny fizakan-tenan’i Madagasikara ara-tsakafo. Ny eto anivon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga dia miezaka hatrany manaparitaka ny teknikam-piompiana trondro manerana an’i Madagasikara ahafahan’ireo rehetra mahaleo tena Ary mahavita mande irery amin’ny asa fihariany amin’ny alalan’ny Fiompiana trondro .
Anisan’izany ny fampiofanana izay notanterahin »A toa Minisitra MAHATANTE Paubert Teto amin’ny kaominina Bembary izay nahavory olona maro be. Tao ireo Vao hisehatra izay Vao handrato fahalalana ,ao ireo manampy traikefa Ary koa ireo izay te hiditra amin’ny sehatry ny matihanina kokoa .
Fampiofanana Feno Ary maimaimpoana no natolotra azy ireo izay hirariana fa hampihatra izany avy hatrany ny tsirairay Rehefa vita ny fampiofanana ka hitondra avo ny kaominina izay misy azy ireo Ary hanenika erak’i Madagasikara

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *