Madagascar National Parks – Nosy Hara Vahilava, Kaominina Ambanivohitra Andranovondronina, Distrika Antsiranana II, Faritra Diana
Fisokafan’ny Jono
Tamin’ny 12 Mey 2025 no nanombohan’ny vanim-potoana fanjonoana horita tao amin’ny Faritra Arovana Nosy Hara, izay tantanan’ny Madagascar National Parks (MNP). Vokatra milanja 36,544 taonina no azo tamin’ny andro voalohany nisokafan’ny jono izay nahitana fahombiazana lehibe ho an’ny mpanjono ao an-toerana.
Anisan’ny zava-nisongadina tamin’ity fisokafana ity ny fahitana horita iray milanja 4 kilao, izay nampiseho ny haben’ny horita hita ao amin’ity faritra ity. Ankoatra izany, nahavita nanangona horita hatramin’ny 80 kilao ny mpanjono tamin’io andro io, izay porofon’ny harena sy ny fahombiazan’ny fitantanana maharitra ny Nosy Hara eo ambany fiahian’ny MNP.
Ny Faritra Arovana Nosy Hara, hita ao amin’ny Faritra Diana, dia tsy vitan’ny manome fivelomana ho an’ny mponina ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Andranovondronina sy ny Distrika Antsiranana II, fa koa mitana anjara toerana lehibe amin’ny fiarovana ny tontolo iainana an-dranomasina sy ny fampiroboroboana ny fizahan-tany ara-tontolo iainana. Ny fisokafan’ity vanim-potoana fanjonoana ity dia manamarika ny fandraisana anjara lehibe amin’ny fampandrosoana ara-toekarena eo an-toerana, sady miantoka ny fitandroana ny fifandanjana eo amin’ny tontolo iainana sy ny asa fiveloman’ny mpanjono.
Mbola hitohy ny fanaraha-maso mba hiantohana ny fanjonoana maharitra, mifanaraka amin’ny fitsipika napetraka ho fiarovana ny harena voajanahary ao Nosy Hara.