Tontosa ny faha 16 Mey 2025 teo ny fampiofanana fiompiana trondro ho an’ireo mpianatra ho zandary miisa 97 teo anivon’ny Sekoly Ambonin’ny Zandarimariam-pirenena (ESGN) ao Moramanga.
Fahalalana fototra mikasika ny fiompiana trondro no nozaraina nandritra izany ary niijerena ihany koa ny toeran’ny ivo-toerana hanatontosana ny fampiharana. Tsara ny manamarika etoana fa misy loharano tsy ritra, dobo efa vita ary tanimbary izay afaka havadika ho dobo ao an-toerana.
Nitondra ny fampiofanana nandritra izao hetsika izao ny ekipan’ny Fitaleavana misahana ny Fihariana anaty rano (DA) avy any amin’ny Ministera sy ny ekipa avy ao amin’ny Fari-piadidin’ny Jono sy ny Toekarena Manga (CirPEB) tao Moramanga.
Manampy ireo toerana izay azo hatao valan-tahaka akaiky ity toerana ity rehefa voajary.