Notanterahina anio 19 Mey 2025 tao ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Tanambe, ao anatin’ny Distrikan’Amparafaravola, faritra Alaotra Mangoro ny fametrahana ny vato fototra amin’ny fananganana ny trano fitehirizam-bokatra . Izay niarahan’ny Direction Régionale de la Pêche et de l’Économie Bleue (DRPEB) Alaotra Mangoro, ny tetik’asa DURRELL, ary ny ben’ny tanànan’ny kaominina.
Ity trano fitehirizam-bokatra ity dia hahitana vata fampangatsiahana manana habe 1500 litatra, izay natao hanohanana ny fikambanana avy amin’ny kaominina telo, dia ny Vohitsara, Tanambe, ary Ambodimanga. Ity tetik’asa ity dia mikendry ny hampiroborobo ny fitahirizana sy ny fivarotana ny vokatra avy amin’ny jono, ka hanampy amin’ny fanatsarana ny fidiram-bolan’ireo mponina ao an-toerana sy ny fiarovana ny vokatra azo avy amin’ny hazan-drano.
Ankoatran’izay dia nanararaotra nanentana sy nanao fampiofanana momba ny fitrandrahana maharitra ny hazan-drano ny ekipan’ny DRPEB ary nisy ihany koa ny fandraisana ny hetahetan’ireo mpanjono mba hahafahana mamaly ny filàna sy ny fanamby atrehin’izy ireo. Miisa 42 ny olona nanatrika ity fotoana ity izay solontenan’ny mpanjono.