Notanterahina ny faha 21 May 2025 tato amin’ny efitrano malalaka ny Kaominina ny fampiofanana fiompiana trondro izay notanterahin’ny DRPEB_Amoro_i_Mania.
Miisa 96 ny mpiofana izay nahitana mpianatra sy mpampianatra avy ao amin’ny Lycée kilasy 1ère sy famaranana ary ireo misehatra sy maniry hiompy trondro.
Ny fampiofanana moa dia natrehin’ny Ben’ny Tanàna sy CP miandraikitra ny Kaominina ary nanazava ny lalàna mifehy ny fiompiana trondro ny CP ary nanamafy fa raha misy fisoparana na tranga halatra trondro dia tsa misalasala fa manatona ny Biraon’ny zandarmaria aty ifotony manao fitarainana.
Nofaranana tamin’ny fitsidihana dobotrondron’ny Fikambanana Miarina izay ahitana mpikambana miisa 16.
#MPEB #Fiofanana_fiompiana_trondro #Fampamokarana_ny_Atirano

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *