Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Lapan’ny kolotsaina sy Lapan’ny Faritra Vakinankaratra, Antsirabe renivohitra, Faritra Vakinankaratra
Fivoriana andiany fahatelo ho fihomanana amin’ny « FifaninanaTanàna madio » ho an’ny Faritra Vakinankaratra.

Notanterahina ny faha 23 May 2025 ny fivoriana andiany fahatelo ho fihomanana amin’ny « FifaninanaTanàna madio » ho an’ny Faritra Vakinankaratra.
Tsiahivina fa araka ny tapaka nandritra ny filan-kevitry ny Ministra natao tany Toliara dia atao izao fifaninanana izao ho an’ireo renivohi-paritra 23 mba hanatsarana ny endrik’i Madagasikara sy hampanjakana ny fanjakana tsara tantana.
Ho an’Antsirabe manokana dia tafiditra ho isan’ireo tetikasa hotanterahina ny sosokevitra roa naroson-dRtoa Talem-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga izay makasika ny fanadiovana ankapoben’ny Tanàna sy ny fanavaozana sy fandaminana ny Tsena Asabotsy mba ho mendrika ny maha tsena lehibe indrindra azy ato anaty ny Ranomasimbe Indianina sy Afrika.
Miara-mientana ny hery velona rehetra ary efa anatin’ny asa ny avy ao amin’ny #DRPEB_Vakinankaratra amin’ny fanomezana endrika ny birao sy ny manodidina ka isaorana ny fanohanana avy amin’ny #ENSOA sy ny #kaominin_ Antsirabe.
eu-ua.org
kidstravel2.com
oren-sarmats.ru