Fokontany Antafiapatsy , Distrikan’ny Antsohihy, Faritra Sofia
NIROBOROBO NY ASA FIOMPIANA TRONDRO AN’A/TOA VICTORIEN TAORIAN’NY NAHAZOANY FANOHANANA AVY AMIN’NY MINISTERA
Ny taona 2024 no nidina ifotony nijery ireo Dobo Teto Antafiapatsy ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE . Miisa 70 ireo Dobo teny am-piandohana Ary Mbola tsy Nisy trondro.
Ankehitriny , miroborobo tanteraka izany nohon’ny tantsoroka izay nomen’ny Ministera azy tamin’ny alalan’ny fanomezana zana-trondro.
Tafiakatra 100 isa ireo Dobo nandritra ny fitsidihana Teny an-toerana Ary mamelona fianakaviavana miisa 12. Nisy hatrany ny Toro-hevitra ara-teknika izay nomena azy na ny lafiny fanjonoana izany na ny sakafo , ny ahavon’ny rano sns…
Nanentana ireo olona izay Mbola te hisehatra amin’ity fiompiana trondro ity ny tenany satria asa Mahavelona no mampidibola betsaka izy ary tsy sarotra atao Rehefa mahafehy tsara ireo teknika rehetra .