Beloha, Faritra Androy
Fampiofanana ireo Relais Communautaires miisa 21 mahakasika « Ny fomba fiatrehana ny vokatry ny fiovan’ny totrandro amin’ny asa fanjonoana Ao Androy »
Fampiofanana ireo Relais Communautaires miisa 21 mahakasika « Ny fomba fiatrehana ny vokatry ny fiovan’ny totrandro amin’ny asa fanjonoana Ao Androy » nandritra ny telo andro, ny faha 29, 30,31 May 2025 tao Beloha, Faritra Androy.
Ny fifandraisany toetrandro sy ny asa fanjonoana ary ny biby anaty ranomasina, ireo loza mety hateraky ny fiovaovan’ny toetrandro amin’ny toerana iainany hazan-dranomasina, amin’ny tanàna amorontsiraka, ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetrandro amin’ny asa fanjonoana sy ny fiainany mpanjono mivantana, ary ireo fandraisana andraikitra rehetra no nivohitra nadritra ny fiofanana izay nomen’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Androy.
Teo ihany koa ny fanamafisana ny fahaza-manao amin’ny fampiasana ny « Panneau SAP » sy ny fampiasana ara-drariny ireo salotra vonjy aina.
Izao dia tanteraka noho ny fiarahamiasa avy amin’ny #Fikambanana_TOMPY izay vatsiany #PAM vola.