Notanterahina ny 15 Jona 2025 tao amin’ny Fariny Anony ny fankalazana ny JMO ao amin’ny Faritra Anosy. Hetsika maro no notanterahina nandritra ity fankalazana ity ka isan’izany ny famelabelarana ny mahazavadehibe ny Ranomasina, narahana fanentanana ho amin’ny fiarovana azy, fifaninanana hazakazana an-dakana, fifaninana lomano amin’ny alalan’ny fisamboarana ganagana, fanandraman-tsiro ilay trondro malaza atao hoe « angera » na Pristipoma operculare izay mampiavana ity Lac Anony ity noho izy tsy fahita amin’ny toerana hafa ary nofaranana tamin’ny fitsidihana ny torapasika “Dobay” eo amin’ny Vinany Lac Anosy izay anisan’ny kanto dia kanto tokoa.
Nifanindran-dalana tamin’ny fanatanerahana ny « Festival Caméléon » izay notanterahina nandritra telo andro aty amin’ny Distrikan’ny Amboasary Atsimo ny fankalazana. Tonga niara-nanamarika sy nanome voninahitra ity fotoana ity ny Solombavam-bahoaka mirahalahy izay voafidy tato amin’ny Distrikan’ny Amboasary Atsimo, Atoa RAKOTONIRINA Richard Joseph sy ANDRIAMAMONJY Olivier, ny Governoran’ny Faritra Anosy, Rtoa RAKOTOVELOMANANTSOA Voahary, ny Tale Jeneraly misahana ny tontolo iainana #MEDD, ny Talem-paritra rehetra izay nahitana ihany koa ny #DRPEB_Androy, ny mpiaramiombonantoka maro samihafa toy ny Tetikasa #PIC, ny #ONG_Caméléon, ny Yas Madagascar, ireo fikambanana tanora, ny fikambanan’ny mpanjono sy ny Olobe an-tanàna.
Afapo ny rehetra ary mampita ny fisaorana sy ny fankasitrahana ho an’ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga amin’izao hetsika notanterahina izao.