Nidina ifotony tao Farihilava, Fkt Tanandava, Kaominina Ambanivohitra Ambatomarina, Distrikan’i Manandriana, Faritra Amoron’i Mania ny ekipan’ny DRPEB Amoron’i Mania, ny faha 13 Jona 2025.
Zava-dehibe no noresahana nandritra ny fihaonana dia ny :
Fanazavana mahakasika ny tokony hananan’ny mpiompy trondro ny karatra maha mpiompy trondro azy ireo,
Karinem-pivarotana trondro,
Fizarana sy fanazavana mahakasika ny tetiandrom-pamokarana trondro nohon’ny fiovaovan’ny toetr’andro,
Fizarana ireo peta-drindrina mahakasika ireo sazy amin’ny halatra sy fisomparana ny fiompiana trondro izay anisan’ny mampiraviravy tanana ireo tantsaha misehatra amin’izany.
Resy lahatra moa ny rehetra taorian’ny firesahana ary vonona hifanome tanana mikasika ny ady amin’ny halatra trondro ary samy handray ny anjara andraikitra tandrify azy avy.
Vonona ny hiezaka hampiakatra ny vokatra vokariny ihany koa ireo mpikambana rehefa avy nanao fidinana ifotony ny toeram-piompiana ny filohan’ny fikambanana.
Marihana fa miisa 25 ireo tonga niatrika izany, nahitana ny Lefitry ny Ben’ny Tanana niaraka tamin’ireo sefo-pokontany miisa 05 mifanolo-bodirindrina dia Tanandava, Anananotra, Vodihena, Vohidrafito ary Farihilalina.
Teo ihany koa ny solontenan’ny Fikambanana TARATRY NY HO AVY, notarihan’ Atoa RAFANOMEZANTSOA Jean Léonard. Fikambanana niorina tamin’ny taona 2019 nahitana mpikambana 6 tany am-piandohana ary ankehitriny dia miisa 50.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *