École de la Gendarmerie Nationale » Ankorombe, Ambositra, Faritra Amoron’i Mania: Fanamboarana dobo manara-penitra.
Miroso araka ny tokony ho izy ny fanamboarana ny dobo manara-penitra hiompiana trondro ao amin’ny École de la Gendarmerie Nationale » Ankorombe, Ambositra. Tonga nijery ifotony ny fizotran’ny asa fanamboarana ny teo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Amoron’i Mania sady nanome ireo toromarika teknika.
Marihina fa tonga teny ihany koa ny injeniera avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Rano Fidiovana sy Fanadiovana Amoron’i Mania (DREAH AMM) nifanome tanana amin’ny fanatanterahana ny fotrodrafitr’asa sy ny fomba hanamorana ny famatsiana rano ireo dobo ireo.