Notoloran’ny Tetikasa MIONJO fiara tsy mataho-dalana vaovao miisa 02 miaraka amin’ireo kojakoja miaraka aminy androany faha 19 Jona 2025 ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga vokatry ny fiaraha-miasa misy eo anivon’ny roa tonta.
Raha tsiahivina dia efa tamin’ny andron’ny Tetikasa SwioFish 2 no nisitraka fiara vaovao farany ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga izay nanova tanteraka ny fomba fiasan’ny Ministera manerana an’i Madagasikara indrindra teo amin’ny lafiny fidinana ifotony bebe koa satria dia efa samy manana fiara avokoa ny Fitaleavam-paritra manerana ny Nosy ankehitriny.
Ireto fiara ireto dia natao hiasana hanatanterahana ny asa mifandraika amin’ny Tetikasa MIONJO indrindra any amin’ny tapany Atsimo no afaka ampiasana amin’ny Faritra hafa ihany koa, hanamafy izay fidinana ifotony, fomba fiasan’ny Ministera izay satria dia efa fantantsika fa betsaka ireo toerana saro-dalana ankehitriny.
Marihana moa fa ny Tetikasa MIONJO dia miasa amin’ny Faritra 03 any amin’ny tapany Atsimon’i Nosy iny dia Atsimo Andrefana, Androy ary Anosy, vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola tsy averina.
Efa ela no nisy ny fiaraha-miasan’ny roa tonta ary efa maro ireo asa sy fanampiana azon’ny Ministera tamin’ity Tetikasa ity ankoatra ireto fiara tsy mataho-dalana vaovao miisa 02 ireto dia efa nisy ny :
- Fanolorana trano fitehirizana mitazona hatsiaka sy famokarana ranomandry,
- Fanampiana tamin’ny fanantaterahana ny « Mitao Forecast », 150 takelaka fampahafantarana ny mety ho toetry ny andro, telo andro mialoha,
- Fanolorana fitaovana maro samihafa sy kodiaran-droa (motos) miisa 06,
- Fanolorana 157 vata mangatsiaka (glacière) sy harato fanjonoana ary salotra vonjy aina (gillet de sauvetage) miisa 128,
- Fanolorana « tracteur » iray miampy « remorque isotherme » ho famoahana ny vokatra voajono.
- Fanolorana 11 « fumoirs » hoan’ny fikambanana Maroalomaity,
- Fitsidihana arahana fifanakalozana hoan’ireo mpanjono miisa 100 nisitraka tao Androy,
- 987/1300 « Groupes d’entraide » (GE) sy 413/660 « Groupes de moyens de subsistance » (GMS) ka ny 40% dia tantanin’ny vehivavy ary ny 5% tantanin’ny tanora eo an-toerana miampy fanampiana, 120 fikambanan’ny mpanjono.