Tontosa ny 19 Jona 2025 tao amin’ny Tranom-pokonolona Ifanirea, Distrika Ikongo ny fampiofanana fiompiana trondro tilapia sy karpa. Niompana tamin’ny fiompiana an-dobo sy an-tanimbary ny fampianarana satria ireo no hita fa tena mety any an-toerana.
Olona miisa 107 no nisitraka ny fiofanana izay avy amin’ny Kaomina telo dia Ifanirea, Ikalafotsy ary Tanakamba.
Marihina fa efa manana dobo ny sasantsasany amin’ireo saingy tsy mbola misy zana-trondro tsara kalitao ary mbola tsy voafehy ny teknika.
Ny tapany tolakandro dia nisy fidinana ifotony nijerena ireo dobo vitsivitsy nanaovana fampiharana.
Tonga nanatrika ity hetsika ity ny Ben’ny Tanàna ao Ifanirea, ny assistant parlementaire ny Solombavambahoaka Ikongo ary ireo Lehibe ny Fokontany.