Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Hotel Pullman, Nairobi, Kenya
Atrikasa momba ny Famatsiam-bola ho an’ny Jono eo anivon’ny Fikambanana Manerantany ho an’ny Varotra

Hotel Pullman, Nairobi, Kenya : Atrikasa momba ny Famatsiam-bola ho an’ny Jono eo anivon’ny Fikambanana Manerantany ho an’ny Varotra na ny « Organisation Mondiale du Commerce » (OMC) ho an’ny tany Afrikana sasantsasany ny 24 – 27 Jona 2025.
Ny Fifanarahana momba ny Famatsiambola ho an’ny Jono na ny « Accord sur les Subventions à la Pêche » (ASP) dia isan’ny fifanarahana voalohany eo anivon’ny OMC izay mifantoka amin’ny tontolo iainana ary manamarika dingana lehibe amin’ny firosoana amin’ny fitrandrahana maharitra ny ranomasina amin’ny alalan’ny fanafoanana ireo famatsiambola mety hiteraka fanimbana eo amin’ny jono ka hiteraka fihenan’ny tahiry.
Natao indrindra ity atrikasa ity mba hitondrana fanazavana bebe kokoa mahakasika ny AFS ka hanamora ny fanarahana ireo dingana arahina amin’ny fankatoavana azy ho an’ireo firenena mpikambana ao anatin’ny OMC ka tsy mbola nahatontosa izany.
Firenena Afrikana miisa 22 no nasaina handray anjara amin’ity atrikasa ka anisan’izany i Madagasikara, bahitana solotena 02 avy amin’ny MPEB ary 01 avy amin’ny MIC.
Tompon’antoka amin’ny fikarakarana ity atrikasa ity ny avy amin’ny OMC sy ny « Afrieximbank » na ny « Bank Export Import »
eu-ua.org
kidstravel2.com
oren-sarmats.ru