Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Faritra Vakinankaratra
Fampiroboroboana ny Asa Manga amin’ny alalan’ny Famokarana anaty rano

Mitohy hatrany ny fampiofanana fiompiana trondro tanterahan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga manerana ny Faritra eto Madagasikara. Kaominina maromaro tao amin’ny Faritra Vakinankaratra indray no nisitraka izany nanomboka ny faha 19 hatramin’ny 24 Jona 2025 niarahana tamin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Vakinankaratra sy ny Fitaleavana misahana ny Fihariana anaty rano avy eo anivon’ny Ministera.
Ny faha 19 Jona 2025 dia tao amin’ny Tranon’Atoa Samson, Kaominina Mandoto, Distrikan’i Mandoto no nanatanterahana izany ka mpiofana miisa 37 mianadahy no nisitraka ireo teknika fototra mahakasika ny fiompiana trondro sy ireo tsara ho fantatra manodidina izany. Nisy ihany koa ireo fanontaniana sy valiny ho fifanakalozana traikefa sy ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpiompy trondro.
Ny faha 20 Jona 2025 kosa dia tao amin’ny CFP Ankazomiriotra, Distrikan’i Mandoto hatrany no nanatanterahana ny fampiofanana mahakasika ny fanomanana dobo, fisafidianana karazana trondro sy fanomezana sakafo ary ny fanaraha-maso ny fitomboan’ny trondro, nahitana mpiofana miisa 37 nisitraka, izay samy mpianatry ny CFP avokoa.
Ny tanjona dia ny hampitomboana ny fahaiza-manao sy hanohanana ny fivelomana ho an’ireo mpiompy trondro, nanentanana ny tanora ary fampahafantarana ny sehatra Toekarena Manga.
Notolorana ny tetiandro mahakasika ny fiompiana trondro izy ireo mba ahafahany manoro ireo Ray aman-dreniny izay tsy afaka nanatrika.
Nitohy hatrany ny hetsika ka tao amin’ny « Station piscicole étatique » Morarano, Distrikan’Ambatolampy indray no nanatanterahana ny fampiofanana izay nifantoka tamin’ny teknika maoderina momba ny pitsopitsony mahakasika ny fiompiana trondro karpa sy tilapia sy ireo tsara ho fantatra rehetra manodidina ny fiompiana trondro ary ireo lalàna mifehy ny seha-pihariana, ny faha 21 Jona 2025.
Niisa 18 ireo tonga nanatrika izay marihana fa ireo mpanatavy trondro sy mpanjifa ireo zanatrondro vokarin’ity « Station piscicole étatique » ity no ankamaroan’ireo nisitraka izao fampiofanana izao. Fiaraha-miasa teo amin’ny DRPEB Vakinankaratra sy ny FAFAFI SPAM tao amin’ny FLM Andranomanelatra, Kaominina Andranomanelatra, Distrikan’Antsirabe II, kosa no namaranana ity fampiofanana niarahan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Vakinankaratra sy ny Fitaleavana misahana ny Fihariana anaty rano avy eo anivon’ny Ministera nanatontosa ity ny faha 24 Jona 2025.
Nifantoka indrindra tamin’ny teknika fanatavezana karpa sy tilapia anaty dobo sy ivelan’ny tany ary ireo lalàna mifehy ny seha-pihariana no lohahevitra niompanana tamin’ity fiofanana ity.
Niisa 71 ireo tonga nanatrika izany ka ny ankamaroany dia vao manomboka amin’ity sehatra ity avokoa. Nisy moa ny fidinana ifotony sy fanitsiana mba hanatsarana ny taha-pamokarana.
Nisaotra noho ireo ezaka rehetra nataon’ny ekipan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga tarihan’Atoa Ministra hatrizay ireo mpisitraka.
eu-ua.org
kidstravel2.com
oren-sarmats.ru