Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Mahajanga
Fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny DRPEB Boeny sy ny ONG Impact Madagascar.

Tontosa ny faha 25 Jona 2025 tao amin’ny Birao DRPEB Boeny tao Mahajanga, Faritra Boeny, ny lanonana fanasoniavana ny fifanaraham-piara-miasa ho eo amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga (DRPEB) Boeny sy ny ONG Impact Madagascar. Ity fiaraha-miasa ity dia hikendry ny hampandroso ny sehatry ny jono sy ny fiarovana ny tontolo iainana an-dranomasina ao amin’ny faritra Boeny.
Mifototra amin’ny teboka roa lehibe izy ity dia ny Fanatsarana ny hay tondra amin’ny lafin’ny jono ka tafiditra ao anatin’izany ny fanatsarana ny fomba fiasa, ny fampiofanana ireo mpanjono ary ny fiantohana ny fitantanana maharitra ireo harena voajanahary an-dranomasina ary ny fametrahana faritra arovana vaovao Izay mikendry ny hiarovana hatrany ny tontolo iainana.
Ny faritra voakasik’ity fifanarahana ity kosa dia ny ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Mariarano ao amin’ny distrikan’i Mahajanga II sy ny Kaominina Ambanivohitra Ankirihitra ao amin’ny distrikan’i Ambatoboeny. Marihina fa haharitra dimy (5) taona ny fifanarahana izay fotoana azo heverina ampy hanaovana asa mivaingana sy hahazoana vokatra azo tsapain-tananq ho an’ireo vahoaka eny ifotony.
eu-ua.org
kidstravel2.com
oren-sarmats.ru