Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Fkt Ampapamena
Fakan-kevitra niarahana tamin’ireo Mpanjono

Tontosa ny Talata faha 24 Jona 2024 lasa teo tao amin’ny efitrano fivoriana ao amin’ny Birao Kaominina Ambanivohitra Maherivaratra, Distrikan’Ambanja, ny fihaonana voalohany nandraisan’ireo mpanjono ao anatin’ny Fikambanana Tantsaha ao amin’ny Fkt Ampapamena anjara. Ity fakan-kevitra ity izay natrehan’ny (CirPEB) Ambanja sy ny Ben’ny Tanàna dia nifantoka tamin’ny fampiasana ny “Kakazo” na « Dispositif de Concentration des Poissons (DCP) » fitaovana fampiasain’ny mpanjono hanatsarana ny vokatra amin’ny jono sady mitandro ny tontolo iainana izay mifanaraka amin’ny fitsipika mifehy ny famindram-pitantanana ny harena voajanahary (TGRN) sy ny harena an-dranomasina (TGRH).
Tapaka nandritra ny fihaonana fa ilaina ny manohy ny fifampiresahana mba hiantohana ny fandraisana anjara feno avy amin’ny mponina sy ny sojabe eo an-toerana. Noho izany dia hitohyny Talata 01 Jolay 2025 ao amin’ny FKT Ampapamena, Kaominina Ambanivohitra Maherivaratra, ny fihaonana faharoa ary ny fihaonana fahatelo kosa dia hatao ny Talata faha 08 Jolay 2025 ao amin’ny Fkt Ankinihy, izay mbola ao anatin’ny Kaominina Ambanivohitra Maherivaratra ihany koa.
Marihina fa naneho ny fahavononany tanteraka ny mpanjono ao amin’ny Fkt Ampapamena ny amin’ny fanajana ny fitsipika napetraka ho fiarovana ny tontolo iainana, na ety an-tanety (TGRN) na eo amin’ny ranomasina (TGRH), hitandrina eo amin’ny fomba fiasa izay manaja ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary. Hahafahana ihany koa hiantoka ny faharetan’ny jono ho an’ireo taranaka.
eu-ua.org
kidstravel2.com
oren-sarmats.ru