Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Ibis Antananarivo, Faritra Analamanga
Atrikasa hampihenana sy hanafoanana tanteraka ny loto ara-plastika an-dranomasina

Mandray ny andiany faharoa amin’ny fivorian’ireo Firenena aty Afrika ao anatin’ny tetikasa « Glolitter Partneships » i Madagasikara, taorian’i Kenya, nanomboka androany faha 30 Jona hatramin’ny 04 Jolay 2025. Haharitra 05 andro ny fivoriana, ahitana ny fandraisan’anjaran’ireo Firenena voakasik’ity tetikasa ity dia i Togo, Gambie, Tanzanie, Soudan, Sénégal, Nigéria, Mozambique, Kenya, Cap Vert ary i Madagasikara mpampian-trano.
Ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga (MPEB) sy ny « Agence Portuaire, Maritime et Fluvial » (APMF) no mitarika ary ny FAO sy OMI kosa no mpanohana sy mitondra ny traikefa mandritra izao atrikasa izao.
Ny tanjona moa dia ny hampitombo ny fahafahan’ireo Firenena ireo amin’ny fankatoavana sy ny fampiharana ny fifanarahana iraisam-pirenena mifandraika amin’ny fandotoana ara-plastika an-dranomasina avy amin’ireo asa eny an-dranomasina ka ny fitaterana sy ny jono an-dranomasina no tena voakasika amin’izany (SBMPL), eo ihany koa ny fifanarahana iraisam-pirenena mahakasika ny fisorohana ny fandotoana ny sambo na ny « MARPOL Annex V » sy ny « Protocole de Londres » ary ny toromarika an-tsitrapo novolavolain’ny FAO mahakasika ny fametrahana marika ireo fitaovana fanjonoana (VGMFG).

Tsara ny mampahafantatra antsika fa mahatratra 640 000T isan-taona ny harato plastika very tavela any an-dranomasina eran-tany araka ny fanadihadiana natao ka ny hampihena sy hanafoana izany tanteraka no tanjona satria dia hita fa manimba zavatra maro izany ary manimba ny tontolo iainana sy mamono ireo hazandrano lehibe.
Marihana fa anisan’ny mandray anjara feno amin’izao hetsika izao ihany koa ireo mpisehatra nasionaly toy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy (MEDD), ny avy ao amin’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa (MESUPRES), ny avy ao amin’ny Fitanterana sy ny Famatarana ny Toetrandro (MTM), ny ONE, ny CFIM, CNRE ary ny sehatra tsy miankina mba hisian’ny fiaraha-mientana amin’ny fikajiana ny tontolo iainana an-dranomasina.
#MPEB #MEDD #MESUPRES #APMF #MTM #GlolitterPartneships #IMO #FAO #ONE #CFIM #CNRE #SBMPL #MARPOLAnnexV #ProtocoleDeLondres #VGMFG #Fako_Plastika #Plastique

eu-ua.org
kidstravel2.com
oren-sarmats.ru