Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Africana Hotel, Kampala, UgandaFivoriana faha-04n’ny Vaomiera manokana ho fanovana sy fampandrosoana ny Jono sy ny Fampamokarana Anaty Rano eo anivon’ny Vondrona Afrikanina (AFRM)

Notanterahana nandritra ny 02 andro tao Kampala, Uganda, ny faha 28 sy 29 Jona 2025 ny fivoriana faha-04n’ny Vaomiera manokana ho fanovana sy fampandrosoana ny Jono sy ny Fampamokarana Anaty Rano eo anivon’ny Vondrona Afrikanina na « 4th Meeting of the Working Group of the African Fisheries Reform Mechanism » (AFRM).
Narafitra nandritra ity fivoriana ity ireo volavolan-kevitra mirakitra ny drafitrasa iraisana « Policy Brief » ho fanatanterahana ny « Agenda 2063 » (CAADP) eo amin’ny lafiny fampandrosoana ny Jono sy ny Toekarena Manga .
Hahazo tombotsoa amin’ireo « Policy Brief » voavolavola ireo i Madagasikara indrindra eo amin’ny fifaneraserana ara-barotra sy famokarana fitaovana sy « intrants » (toy ny sakafon-trondro) ary ny fiarovana mialoha ny toeram-piompiana (biosafety & biosecurity).
Mbola hisy noho izany ny fotoana hanaparitahana ireo antontan-kevitra « Policy Brief » nivoaka ireo amin’ny fotoana maha-mety izany.

Marihana fa ny AU-IBAR amin’ny alalan’ny tetikasa FISHGOV2 hatrany no nandamina sy niantsoroka izao hetsika izao.
#MPEB #AU_IBAR #FISHGOV2 #AFRM #PolicyBrief #Agenda2063 #CAADP #Jono #ToekarenaManga #FampamokaranaAnatyRano

eu-ua.org
kidstravel2.com
oren-sarmats.ru