Notanterahina nandritry ny 03 andro tao Cebu city, Philippines, ny 02 ka hatramin’ny 04 Jolay 2025, ny atrikasa mahakasika ny rojom-pihariana lomotra “ Seaweed Value Chain Regional Workshop”.

Nandritry izany dia nisy ny fifanakalozan-kevitra teo amin’ny mpandray anjara avy amin’ireo firenena efa misehatra amin’ny lomotra na « algue » avy aty Afrika sy Azia, mikasika ny tombony azo avy amin’ny fambolena lomotra, ary ireo fanamby sy ny fahafahana mampiasa vola amin’io seha-pihariana io.

Nandray anjara tamin’izany ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga, tamin’ny alalan’ny Talem-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga SAVA sy ny solontena avy ao amin’ny Fitaleavana misahana ny Fampamokarana ny Atirano.

Marihana fa ny Banky Iraisampirenana no nanohana sy nikarakara izao atrikasa izao.

#MPEB

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *