Efa Tafapetraka soamatsara ny foto-drafitrasa izay entina hamokarana zana-trondro eto amin’ny Distrikan’ny Vatomandry izay ZEP faha 20 izay hapetraky ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga.
Ahitana Dobo trondro miisa 6 lehibe izay Mirefy 2000 metatra toradroa izay vinavinaina hamokatra trondro manodidina ny 16 taonina Ary hamokatra zana-trondro any ho any amin’ny 1 500 000 isa . Ireo fikambanana tsy miankina no hitantana izany izay eo ambany fiahian’ny #MPEB .
Tonga Nitsidika izany foto-drafitrasa izany A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert Anio 31 Jolay 2025 Ary notronin’ ny solombavam-bahoaka voafidy tao an-toerana Sy ireo Tompon’andraikitram-panjakana isan’ambaratongany.
Mafonja ny hafatra nampitaina tamin’ireo vahoaka ny amin’ny hikojakojana ny foto-drafitrasa satria Sady hitondra tombotsoa maro hoan’izy ireo ny fisian’ity toerana ity no hampiakatra ny Lazan’ny vatomandry indray amin’ny famokarana trondro
#MPEB #ZONE_D_EMERGENCE_PISCICOLE
#FAMOKARANA_ZANA_TRONDRO
#VATOMANDRY
#FARITRA_ATSINANANA.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *