Ezaka ho amin’ny fanomezana fampiofanana fiompiana trondro eny ifotony.
Efa mihena hatrany ny vokatra isan’ny nampalaza ny faritra Alaotra Mangoro noho ny antony maro samihafa.Ilaina araka izany ny fampiofanana ireo tantsaha hisehatra amin’ny fiompiana trondro matianina hamerenana izany.Ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga amin’ny alalan’ireo teknisiana ao aminy dia mizara sy mampita ireo toromarika ara-teknika mahakasika ny fiompiana trondro maimaimpoana amin’ireo vahoaka eny ifotony.
Solontena maro izay nahitana ireo fikambanam-behivavy, ireo mpanjono ary olontsotra miisa 64 avy ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Vohimena, Distrikan’Amparafaravola no nisitraka fampiofanana maimaimpoana izay nomen’ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga (DRPEB ) izay niarahana tamin’ny ekipa avy amin’ny Fitaleavam-paritra misahana ny mponina (DRPS) avy ao Alaotra Mangoro ary ny ekipan’ny fitalevana misahana ny famokarana anaty rano ny faha 05 aogositra 2025 teo.
Vonona ny hirotsaka amin’ity sehatra ity izy ireo ka isan’izany ireo ben’ny Tanàna amin’ny Kaominina telo ao anatin’ny Distrikan’Amparafaravola.
Antenain’ny rehetra fa hitondra tombontsoa ho an’ireo vahoaka eny ifotony izao hetsika izao.