𝐅𝐢𝐭𝐬𝐚𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐤𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 #𝐓𝐒𝐈𝐌𝐎𝐊𝐀 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐨𝐟𝐢𝐬𝐢𝐚𝐥𝐲.
Tafatsangana tamin’ny fomba ofisialy ny faha 05 Aogositra 2025 teo ny Fikambanana TSIMOKA izay hifantoka amin’ny fitantanana sy fiarovana ireo faritra arovana ao Oronjia, Ramena, ary Ivovona ka tao amin’ny Fkt Ramena no nanatontosana ny fampahafantarana izany tamin’ny fomba ofisialy.
Ny tanjona voalohany sy fanambin’ny fikambanana dia ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary, indrindra ny tontolo andranomasina ao amin’ny faritra arovana ao Oronjia, Ramena, ary Ivovona ka hiompana amin’ny fampiroboroboana ny Jono sy ny Toekarena Manga ka ireo mpanjono ao an-toerana dia hahazo tombony amin’ny alalan’ny fanohanana ara-pitaovana sy ara-teknika.
Tonga nanatrika teo avokoa ireo sehatra rehetra voakasika ka anisan’izany ireo solontena avy ao amin’ny Kaominina sy ireo Fkt ao Oronjia, Ramena, sy Ivovona, ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy Toekarena Manga (#DRPEB) sy ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo Iainana sy Fampandrosoana Lovainjafy (DREDD) avy ao amin’ny Faritra DIANA , ireo solontenan’ny #ONG_Blue_Ventures avy ao amin’ny Faritra Boeny sy Diana ,ny Fikambanana #TSIMOKA ny #tetikasa_C3 ary ny solontenan’ny fikambanan’ny mpanjono avy ao Ankorikihely Ramena, ary Ivovona.
Tao aorian’izany dia nisy ihany koa ny fampisehoana sy famelabelarana nataon’ny Fikambanana TSIMOKA sy Blue Ventures momba ireo antsipirian’ny tetikasa izay hita fa mifanaraka tanteraka amin’ny filàna sy ny vahaolana ilain’ireo mponina ao an-toerana.
Atoa RAZANDRIMALALA Orien, Lehiben’ny Sampandraharahan’ny Toekarena Manga ao amin’ny Faritra DIANA dia nanentana ny mpanjono mba hanararaotra tanteraka ny fanohanan’ireo mpiara-miombon’antoka ary nanamafy nandritra ny fanentanany fa ny fiaraha-miasa akaiky sy ny fanajàna ireo fitaovana izay nomena dia hitondra fanovana mivaingana sy maharitra no hiantoka ihany koa ny fiveloman’ny mpanjono mba hiarovana ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary mba ho lovainjafy.