Ho fandrindrana sy Famahana ny olan’ireo Mpanarato eto Soalala dia namaly ny antson’izy ireo A/toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert tamin’ny alalan’ny fifampitafana mivantana tamin’izy ireo nandritra ny fitsidihany teny an-toerana.
Nangatahan’izy ireo manokana ny hanazavana mahakasika ireo lalana mifehy ny Jono , ny tokony hataon’izy ireo sy ny tsia , ireo fepetra tokony ho raisin’izy ireo Rehefa fotoam-pikatonan’ny Jono (makamba , drakaka, sns ) , ny mahakasika ny asa sahan’ireo VOI sy ny maro hafa .
Tsy natao fatahatany ireny lalana ireny hoy A/toa Minisitra fa misy Antony avokoa Raha tsy hiteny afatsy ny hisian’ny fitantanana maharitra ny Jono ho Lovain-jafy. Naharitra ora 3 ny fifampidinihina Teo amin’ny roa tonta Ary samy afa-po ny rehetra.
. Vonona arak’izany izy ireo hanaraka ireo lalana Ary hanamafy ny firaisan-kina ho tombotsoan’ny rehetra satria Io no foto-piveloman’ireo mponina eto amin’ny Distrikan’ny Soalala.
