Sehatr’asa iray mamelona fianakaviana maro ao amin’ny distrikan’i Sainte Marie ny asa fanjonoana madinika.Ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga #MPEB miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy dia miezaka hatrany manome fampiofanana ho azy ireo hampiakarana ny fari-piainan’izy ireo.Mpanjono miisa 186 avy ao an-toerana no nahazo fampiofanana mikasika ny jono maharitra ny faha 27 sy 28 aogositra 2025 teo .
 Izao fampiofanana izao dia natao mba hikendrena ny amin’ny hahafahana hampiakatra ny fari-piainan’izy ireo satria hanovo teknikam-panjonoana vaovao sy maharitra.Ny orinasa REFRIGEPECHE EST no mamatsy ara-bola ny fampiofanana izay tafiditra ihany koa ao anatin’ny fanatanterahana ny bokin’andraikitr’izy ireo.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *