Ny fahaiza-mifehy ny teknika momba ny sakafo,ny rano ary ny kalitaon’ny zana-trondro no miantoka ny fahombiazan’ny fiompiana trondro.Toeram-piompiana trondro iray ahitana tilapia miisa 7000 manana lanja salasala 150g sy Karpa 2000 isa ao amin’ny Kaominina Zazafotsy, Distrikan’Ihosy no notsidihin’ny Talem-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga # DRPEB# Ihorombe ny faha 30 aogositra 2025 teo.Fotoana nanomezana ny tompon’ny toerana tantsoroka ara-teknika momba ny sakafo sy ny rano hampahomby kokoa ny fihariany anatin’izao fidirana amin’ny vanimpotoana mafana izao.
Provandy mitsingevana sy vovokatsaka miampy vovomangahazo no foto-tsakafon’ireo trondro ireo izay vinavinaina hamokatra trondro vaventy manodidina ny 3000kg amin’ny vola novambra ho avy izao.Tanjon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga#MPEB# rahateo ny hampiakatra hatrany ny isanjaton’ny taham-pihinanan’ny malagasy trondro sy hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka.
#MPEB#DRPEB#IHOROMBE#Fiompiana_trondro#Ady_amin’ny tsy _fanjariantsakafo
