Tanterahina ny 03 ka hatramin’ny 04 Septembra 2025 izao ao amin’ny NOVOVOTEL,Antananarivo ny “ Dialogue National sur la mise en œuvre du programme de développement du réseau des aires de conservation transfrontalières (#TFCA) de la SADC à Madagascar ”. Fantatra fa ny firosoana amin’izany dia hiarahana amin’ireo firenena rahavavy mifanolo-bodirindrina izay mpikambana ao amin’ny SADC noho izy apetraka eo amin’ny toerana iraisan’ny firenena roa na telo na mihoatra.Ho an’i Madagasikara izay Nosy ka raha hiroso amin’izany dia tsy maintsy any anaty ranomasina no afahana mametraka izany.
Izany indrindra no antony andraisan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga anjara mavitrika ao anatin’ity fifanakalozan-kevitra ity ka tonga nandray anjara tamin’ny fanokafana an’izany A/toa Minisitrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga notronin’ireo mpiara-miasa aminy niaraka tamin’A/toa Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy ary R/toa Minisitry ny Fizahan-tany.
Izany rehetra izany dia tafiditra ao amin’ny fanatanterahana ny fifanarahana izay iraisana amin’ireo firenena mpikambana ao amin’ny SADC ka antenaina fa ny firosoan’i Madagasikara amin’izany dia hitondra tombontsoa marolafy hatrany ho an’ny firenena sy ny vahoaka ao anatiny.
