Nidina ifotony ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Ihorombe ny faha 09 Septambra 2025, tao Ampandra, Fokontany Ankily, Kaominina Ambanivohitra Ankily, Distrikan’Ihosy, Faritra Ihorombe.
Taorian’ny fampiofanana fiompiana trondro nataon’ny #DRPEB_Ihorombe dia maro ny tantsaha maniry ny hisehatra amin’ity fihariana trondro ity ary isan’izany ireo tantsaha efa nanana dobo trondro namboarin’ny #AROPA sy ny #PNUD izay miisa 350 tao anatin’ny Faritra Ihorombe kanefa tsy miasa noho ny olana famatsiana rano.
Tanjona amin’izao fidinana ifotony izao ny hikaroham-bahaolana hampihodinana sy hamelomana indray ireny dobo ireny indrindra amin’ny famatsiana rano azy ireny satria tsy simba ny foto-drafitrasa fa ny rano no tsy misy.
Teo ihany koa ny fanentanana ireo tantsaha amin’ny fanaovana fiompiana trondro an-tanimbary eny amin’ny toerana izay mbola tsy tapaka rano toy ny hita teny an-toerana.
