Atrikasa fifanakalozan-kevitra nasionaly andiany faha-3 ho fanatsarana ny politikam-panjakana momba ny Jono makamba handrindrana ny vina voarakitra ao amin’ny politika nasionaly momba ny fiarovana ireo karazan-java-manan’aina.
       Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy androany faha 25 septambra 2025 tao amin’ny Baobab Three Mahajanga, Faritra Boeny, ny atrikasa fifanakalozan-kevitra nasionaly andiany faha-3 ho fanatsarana ny politikam-panjakana momba ny fitantanana ny Jono makamba eto Madagasikara izay hoentina handrindrana sy hanomezan-danja bebe kokoa ny vina izay voafaritra ao amin’ny politika nasionaly misahana ny fiarovana ireo karazan-javamanan’aina.
       Tonga nanokatra izany ny Filohan’ny Kaomision’ny Jono sy ny Toekarena Manga eo anivon’ny Antenimieram-pirenena, ny Solombavam-bahoakan’i Madagasikara voafidy tao amin’ny Distrikan’i Soanierana Ivongo, Atoa MENAVOLO Alban ary notronin’ireo tompon’andraikitra ara-panjakana isan-tsokajiny. Nohamafisiny teo amin’ny fandraisana anjara fitenena ny fanohanana sy ny fahavononan’izy ireo amin’izao ezaka fanatsarana tiana hapetraka izao ho amin’ny fitantanana sy ny haitondra mikasika ny sehatry ny jono makamba.
       Izao atrikasa izao dia hanohizana ireo ezaka izay hataon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga# MPEB# sy ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy #MEDD# ireo mpiantsehatra rehetra eo amin’ny sehatry ny jono makamba toy ireo orinasa tsy miankina, ireo fikambanan’ny mpanjono sy ireo VOI avy amin’ny faritra maro manerana ny nosy, ireo solontenan’ny firaisamonim-pirenena ary ireo mpiara-miombon’antoka.
       Ny tanjona dia ny hampihenana ireo tsindry isan-karazany mahazo ireo karazan-javamanan’aina eo am-panatanterahana izany fanjonoana makamba izany mba hampaharitra azy ho lovainjafy.
Tsara ny manamarika fa mitana ny laharana voalohany i Madagasikara eto anivon’ny Kaontinanta Afrikanina eo amin’ny sehatry ny fanondranana makamba izay manodidina ny 12% ny vokatra aondrana amin’ny ankapobeny ary nahatratra 3500 taonina ny makamba naondran’i Madagasikara ho an’ny taona 2024.
       Izao hetsika izao no tontosa dia nohon’ny tantsoroka avy amin’ny WWF, ny IUCN ary ny AFD amin’ny alalan’ny tetikasa BIODEV 2030 andiany faha-2.
MPEB#MEDD #Fanatsarana_Politikam-panjakana_Jono Makamba_maharitra #BIODEV 2023_Phase 2# AFD# IUCN# WWF

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *