Ny faha 11 Novambra 2025 teo no nanatanterahina ny ny fizarana karatra maha-mpanjono na « carte pêcheur » hoan’ireo Mpanjono madinika ao amin’ny kaominina Ambanivohitra Antsakoamanondro sy Maherivaratra Ampondrabe izay natao tao amin’ny Kaominina Antsakoamanondro, Disitrika Ambanja. Etsy ankilan’izay dia efa nisy sahady ireo Mpanjono nisoratra anarana izay hisitraka ny karatra maha mpanjono azy ireo izay nahatratra hatrany amin’ny 174.
Teo am-pamaranana dia nisy ihany koa ny fizarana ny karatra izay efa vita miisa 62 eo hoan’ireo mpikambana izay mivondrona ao amin’ny fikambanan’ny Mpanjono « LE REQUIN « ao Mahamanina sy ny fikambanan’ny mpanjono JONO MIAKATRA ao Andilamboay. Izao no natao dia ny mba hampihena ny tsy fanarahan-dalana ary koa mba hidirana eo amin’ny sehatry ny maha matihanina azy ireo ka hanatsara ny fari-piainany sy ny Toekarena eny ifotony.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *