Amin’ny ankapobeny dia mizotra am-pilaminana avokoa ireo vokatry ny ezaka maro ataon’ireo VOI sy ny fifanomezan-tanana avy amin’ireo manam-pahefana voakasika rehetra mahakasika ny didim-pitondrana mamaritra ny Fikatonan’ny Jono 2025 izay nosoniavin’Atoa Prefe Antsirabe miandraikitra ny Faritra Vakinankaratra.
Anisan’ireo ezaka vita nandritra izay fotoana fikatonan’ny jono izay ny fanaovana ny Atrikasa miisa 2 izay nampahafantarana ny « Arrêté de fermeture 2025 » sy ny lalana mifehy ny Jono an-dranomany eo ihany koa ny Fampiakarana ireo lakana rehetra sy fanaraha-maso isan-karazany , ny Fanavaozana ny rafitra sy ny birao mandrafitra ny VOI MMFT mitantana ny farihy Andranobe ary farany dia ny hetsika Fandrotsahana zana-trondro karpa miisa 8000 tao Andranobe Est izay mbola hisy andiany faharoa ary mbola hitohy amin’ireo farihy efatra ambiny.
Raha tsiahivina dia ny alahady faha 16 Novambra 2025 ho avy izao no hisokatra ny fanjonoana an-dranomamy ao amin’ny faritra Vakinankaratra. Ny Fandaharan’asa FANAINGA+ kosa no nanao ny tantsoroka amin’ny fanohanana ny kaoperativan’ny mpanjono FIFMIPAVA.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *