Natao anio 13 Novambra 2025 ny hetsika fanentanana ny mpanjono andranomasina sy andranomamy izay nataon’ny fitalevam-paritry ny jono sy ny toekarena manga Fitovinany tao Ambohitsara, CR Savana mikasika ireto antony manaraka ireto.
Voalohany dia ny *fikantonan’ny Jono* andranomamy, izay nanombaka ny 15 Oktobra ka mitohy hatramin’ny farany volana Novambra izao. Voaresaka tao ihany koa ny fandrarana ny fampiasana harato be izay manimba ny harena anaty rano.
Teo ihany koa ny fanamafisana ny fanentanana ny mpanjono andranomasina mba hitandrina manoloana ny tranga *ICAM* indrindra amin’izao vanimpotoana mafana izao. Nisy arak’izany ny fizarana ny takelaka misy ny sary sy anaran’ireo karazana hazandranomasina izay voarara sy tsy azo hoanina ireo.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *