Notanterahina ny faha 11 ka hatramin’ny faha 13 novambra 2025 teo tao amin’ny Kaominina Ambonivohitra Toamasina ny atrikasa natao hanatsarana ny sehatry ny Jono madinika , atrikasa izay niompana tamin’ny lafiny fametrahana ny fanjohina elektronika ireo Sambo mpanjono artizanaly tao amin’ny Faritra Atsinanana.
Amin’izao fanombohan’izao dia andrana aloha no hatao ka sambo miisa 10 eo no ampiasaina izay sambo avy ao amin’ny FIkambanam- panjono artisanaly TAZARA ka ireo sambo ireo dia hametraha ireo fitaovana vaovao manao ny fanjohina alohan’ny tena hampiasana azy tanteraka . Marihina fa izao no tanteraka dia noho ny Fiaraha-miasa eo amin’ny Ministeran’ny Jono sy Toekarena Manga sy ny ONG WWF.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *