Notontosaina tao Incheon, Repoblikan’i Korea Atsimo ny fihaonambe Iraisam-pirenena faha-3 momba ny Jono (ICFC 2025) izay natao ny faha 9 ka hatramin’ny 12 Novambra 2025 teo.
Nandritra izany dia lohahevitra lehibe niisa 6 no nifampizarana izay niresahana ny momba ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny fomba hahafahana maitrika azy, ny fifindra-monina any ambanivohitra sy ny faharetan’ny fiaraha-monina, ny fampivoarana ny toekarena ambanivohitra sy ny toekarena manga, ny fanavaozana sy fiovàna nomerika, ny fiarovana ireo harena voajanahary ary mikasika ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena sy ny fandaminana eo amin’ny lafiny fitantanana maneran-tany.
Nandritra izao fihaonambe iraisam-pirenena izao dia nisolotena an’i Madagasikara tamin’izany ny avy eto anivon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga (MPEB) ka nandritra izany no nahafahana namelabelatra ireo paikady maro isankarany izay novolavolaina nandritra izay taona maro izay fitaovana nahafahan’i Madagasikara nitantana amin’ny fomba maharitra ny sehatry ny jono sy ny toekarena manga.
Nisy ihany koa ny fihaonana tamin’Atoa Park Jongmin, Talen’ny Sampan-draharahan’ny Fambolena, ny Jono ary ny Siansa momba ny Fiainana, izay niresahana manokana ireo fiaraha-miasa misy eo amin’i Madagasikara sy i Korea Atsimo. Nohamafisina nandritra izany fa misokatra amin’ny fiaraha-miasa sy famatsiam-bola amin’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra i Madagasikara, singanina manokana ireo mpandraharaha matihanina koreana izay liana amin’ny fitrandrahana, fanodinana ary fanondranana ireo vokatry ny jono sy ny fihariana anaty rano avy eto Madagasikara.
Tsara ny mampatsiahy fa efa misy eto Madagasikara ny biraon’ny KOICA na ny Ivotoerana Koreanina miandraikira ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena na ny « Korea International Cooperation Agency ».
Antenaina fa làlana iray lehibe hahafahana misintona ireo mpandraharaha avy any ivelany izao fandraisan’anjaran’i Madagasikara tamin’ity ICFC 2025 ity ka hampitombo ny vokatra azo avy amin’ny jono, hanatsara ny fidiran’ny vola vahiny ao amin’ny tahirimbolam-panjakana ary hiteraka asa maro hanatsarana ny sosialin’ny vahoaka Malagasy.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *