Faritra isan’ny manana toe-tany mafana i Bongolava izay manafaingana ny fitomboan’ny trondro.Nisy araka izany ny fandrotsahana zana-trondro Tilapia 12000 tao amin’ny farihin’Ambalanirana, anatin’ny Distrikan’i Tsiroanomandidy ho entina hanampiana ireo trondro hositrahin’ireo mpanjono madinika ao anatin’izany farihy izany amin’ny fotoam-panjonoana hoavy.
Nandritra izany ihany koa no nitsinjarana ireo zana-trondro karpa miisa 7500 izay tohana avy amin’ny « Appui Sectoriel » hoan’ireo mpanatavy trondro any an-toerana.Tanjona ny hampitomboana ny taha-pamokarana sy taha-pihinanana trondro ao amin’ny faritra Bongolava.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *