Ny alakamisy faha 13 Novambra 2025 teo no nanomboka ny fakana ireo vokatra trondro izay niompian’ny Fikambanana MAHAVOTSE nandritra ny enim-bolana. Hetsika izay notanterahina tao Fenoaivo ao amin’ny Kaominina Ifotaka ,Distrikan’Amboasary niarahan’ny ny ekipa avy ao amin’ny Fitaleavam paritry ny Jono sy ny Toekarena karena Manga Anôsy sy ny Fikambanana MAHAVOTSE
Ny fikambanana MAHAVOTSE dia anisan’ireo fikambanana nahazo fiofanana nomen’ny DRPEB Anôsy ny taona 2024 tany ho any ary notohanan’ny Fandaharan’asa PAM.Raha izao vokatra azo izao dia azo lazaina fa dia tafita soa amantsara ny fampitana ny fahalalana nozaraina ka arak’izany dia hatao site vitrine eto Fenoaivo ity toeram-piompiana trondro ity mba hoentina hanentanana sy hampianarana ny mponina manodidina hiompy trondro hanampy sy hanatsara ny fivelomany.
Zanatrondro miisa 600 eo eo no narotsaka ary nompiana tao anaty dobo nandritra izay enim-bolana izay ka nahazo ny lanja salanisa 200g eo ho eo ny iray ka mahavelombolo ny vokatra azo ary nitombo ara dalana ny trondro nompiana.
Tonga nanome voninahitra ny fotoana sy niara nijery ny vokatra sy ny ezaka nataon’ireto mpikambana ato amin’ny fikambanana MAHAVOTSE teto Fenoaivo Ifotaka ny ekipa ny Distrikan’ Amboasary ary ny avy ao amin’ny seraseran’ ny PAM.
