Ho fanohanana ireo tantsaha amin’ny fivoarana izay tian’ny hatao , ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB dia manohy hatrany ny fanomezana fampiofanana mikasika ny fiompiana trondro eny ifotony ary maimaimpoana. Ny ekipa avy eo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga DRPEB miasa eny anivon’ny faritra 24 manerana ny Nosy no manatanteraka izany.Araka izany dia tontosa ny faha 15 Novambra 2025 teo tao amin’ny Fkt Fandana, Distrikan’Ihosy ny fampiofanana ireo tantsaha niisa 33 mianadahy.
Nampitaina nandritra izany ny teknika fototra mikasika ny fiompiana trondro an-tanimbary , ny fanamboarana sakafo trondro ary ny fitantanana azy. Tsapa tokoa fa dia liana izy ireo noho ny vokatry ny fiompiana trondro izay anisan’ny seha-pihariana hitondra vokatsoa maro na eo amin’ny lafiny sosialy na ara -pahasalamana ka hampisy fiantrainkany tsara eo amin’ny fidirambolan’izy ireo sy ho an’ny Faritra ihany koa.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *