Ny faha 14 Novambra 2025 teo no nanatanterahina ny fampiofanana momba ny fiompiana trondro izay niompana manokana tamin’ny fiompiana trondro an-tanimbary ( rizi-pisciculture) sy ny fitantanana sakafon-trondro ka ny ekipan’ny DRPEB (Direction Régionale de la Pêche et de l’Économie Bleue) Ihorombe no nitarika izany fampiofanana izany .
Io hetsika io dia natao mba hanamafisana ny fahaizan’ny tantsaha eo an-toerana amin’ny fiompiana trondro ao an-tanimbary satria anisan’ny teknika fiompiana trondro izay hahafahana mampitombo ny vokatra ara-tsakafo sy hahazoana tombony ara-toekarena sy ara- pahasalamana.
Natao tamin’ny kaominina roa ao amin’ny Distrikan’Ihosy ny fampiofanana toy ny Kaominina Ambanivohitra Ambatolahy izay nahitana mpiofana miisa 44 eo ary ny Kaominina Ambanivohitra Ilakakabe nahitana mpiofana miisa 37 eo. Faritra be rano moa ireo kaominina ireo ka mety tsara amin’ny fiompiana trondro ao anatin’ny tanimbary.
#MPEB #DRPEB #Ihorombe #Fiompiana_trondro #Fanatsarana_toekarena_ifotony #Asa_Manga #Toekarena_Manga
