Notanterahina tao amin’ny « La residence Ankerana » ny fanamafisam-pahalalàna na (renforcement de capacité) ho an’ireo teknisiana eo anivon’ny Autorité Sanitaire Halieutique (#ASH) izay nahitana ireo mpiasa eto anivon’ny ASH foibe sy ireo eny anivon’ny faritra (PISPPA) miisa folo misy ny ratsa mangaika ny ASH dia samy voakasik’izao atrikasa izao avokoa.
Ny manampahaizana manokana mahakasika ny kalitaon’ny hazan-drano avy any Sénégal, Dr Babacar Sène izay avy ao amin’ny « AgroConsulting & Training », no nizara ny traikefany tamin’ireo teknisianina miasa eo anivon’ny ASH.
Tanjon’izao hetsika izao ny fanatsaràna sy fitazomana ny kalitaon’ny asa fitsirihina ara-pahasalàmana eny anivon’ny orinasa mpanodina sy mpanondrana hazan-drano, izay tanterahin’ireo manam-pahefàna ara-pahasalamàna eo anivon’ny ASH ary koa ny mba hifanaraka indrindra amin’ny filàn’ireo firenena mpanafatra hazan-drano.
Raha tsiahivina dia notanterahina tany Toamasina ny faha 10 ka hatrami’ny 14 Novambra 2025 lasa teo ny andiany voalohany, ary izao eto Antananarivo izao indray no tanterahina ny andiany faharoa manomboka anio alatsinainy faha 17 Novambra 2025 ary hifarana ny faha 21 Novambra 2025 izao. Inoana fa hitondra fomba fiasa vaovao izao fanamafisam-pahalalàna izao, hampiakatra ny kalitaon’ny asa fitsirihana ara-pahasalamàna, hitondra ihany koa fahombiazana amin’ny asa izay napetraky ny fanjakàna amin’izy ireo ary indrindra indrindra mba hifanaraka amin’ny fenitra sy lalàna hiraisam-pirenena.

Tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ity fotoana ity Atoa CHAN KIT WAYE Jaco, Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga ary nanamafy ny tokony hanampiana ireo mpiantsehatra rehetra eo amin’ny sehatry ny jono sy ny toekarena manga fa tsy hijanona ho mpanara-maso sy mpampihatra lalana fotsiny ihany ny ASH , satria izany fomba fiasa vaovao izany dia hisintomana ireo mpandraharaha mba ho matihanina hatrany ka hitera-bokatsoa na eo amin’ny lafiny ara-tsosialin’ny mponina na ho an’ny toekaren’ny Firenena.
Marihina fa ny « Projet de Partenariat dans le Secteur Pêche – Appui Sectoriel (PPSPAS) » an’ny Vondrona Eoropeana no miantoka sy mamatsy izao fanamafisam-pahalalàna izao.
#MPEB #ASH #Fanamafisana_fahaiza_manao_sy_fifampizarana_fahalalana #PPSPAS

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *