Mba ho fampanarahan-dalàna sy ny fidirana eo amin’ny sehatry ny maha matihanina dia tonga nandalo tao amin’ny biraon’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga(DRPEB) Atsimo Atsinanana ireo teknisiana mpanentana momba ny fampiroboroboana ny fiompiana trondro avy amin’ny ONG HIH sy APDRA anio 18 Novambra 2025 naka ireo karatry ny mpiompy trondro miisa 39.
Ireto karatra ireto dia ho tsinjaraina amin’ireo mpiompy trondro ara-dalana ao amin’ny distrikan’i Farafangana ka ny karatra miisa 10 dia ho zaraina amin’ny mpiomp trondro avy ao amin’ny Kaominina Ankarana, ny 10 dia ho an’ireo mpiompy avy ao amin’ny Kaominina Ambohigogo ary 19 ambiny kosa dia hozaraina ao amin’ny Kaominina Maheriraty.
Antenaina fa hitohy hatrany izao hetsika izao mba ho fanentanana ireo mpiompy trondro rehetra hiditra hatrany ao anatin’ny sehatry ny ara-dalàna izay hisitrahan’izy ireo tohana maro.
