Notanterahina ny 17 sy 18 novambra 2025 ny atrikasa fanombanana ny drafi-pandrindrana ny jono ao amin’ny faritra BATAN na (Baies d’Ampasindava, de Tsimipaika, d’Ambaro et l’archipel de Nosy-Be) izay niarahana tamin’ireo mpisehatra rehetra voakasika.Tanjona ny handinika lalina ny drafi-pandrindrana ny jono teo aloha, izay natao ho fiarovana ny fanjonoana sy ny tontolo iainana amin’io faritra avaratra andrefana io.

Tamin’ny alalan’ny fandalinana (FFOM) voarafitra tsara no nanantanterahina ny fanombanana isam-bohitra ny fampiharana ny PAP na (Plan d’Aménagement des Pêcheries) teo aloha. Zava-dehibe tamin’izany ny famantarana ireo fanamby goavana eo amin’ny fiainana ara-tontolo iainana sy ara-tsosialy ary koa mba hamantarana ireo lesoka sy hery tamin’ny fampiharana ny drafitra teo aloha mba hamaritana paikady vaovao ho amin’ny fitantanana maharitra ny harena an-dranomasina.
Marihana fa santatra ambavarano izao fanombanana izao mba hanomanana ny fanavaozana azy indray izay hovolavolain’ny Mpanamahay avy eo. Ny DRPEB Diana sy ireo CirPEB no nandrindra ny atrikasa, nanampy azy ny COPIL, PAP, BATAN ary WWF no nanohana ara-bola.
Isaorana ireo tompon’andraikim-panjakana nanome voninahitra ny atrikasa dia ny SG faritra Diana sady Goverinora mpisolo toerana, ny Chef District Diego II, ny Adjoint Chef District Ambilobe ary ny Prefecture Nosy Be.
#MPEB #DRPEB_DIANA
#Mpanohana_WWF/Financement BMZ
#Fanombanana_PAP_BATAN

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *