Maro ankehitriny ireo olona maniry ny hisehatra amin’ny fiompiona trondro matihanina noho ny fampiofanana sesilany tanterahin’ny ekipan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB.Araka izany dia nitsidika toeram-piompiana midadasika ao anatin’ny Distrikan’Antsirabe II ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga DRPEB Vakinankaratra ny faha 18 Novambra 2025 teo.
Ity toerana ity izay efa ahitana fotodrafitrasa lehibe hahafahana mampiroborobo ny fiompiana trondro sy mamaly ny filàn’ny tsena any an-toerana izay mifandraika amin’ny laharam-pahamehan’ ny MPEB amin’ny fampiakarana ny tahan’ny fihinanana trondro hoan’ny Malagasy.
