Tontosa anio faha 19 novambra 2025 tao amin’ny efitrano fivorian’ny Ministera tao Ampandrianomby ny fihaonana sy dinidinika ara-teknika izay niarahana tamin’ireo ONG sy ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga (MPEB).
Fihaonana izay teo ambany fitarihan’Atoa Ministra, CHAN KIT WAYE Jaco ary notronin’ireo tompon’andraikitra maro eto anivon’ny Ministera .
Nambaran’ Atoa Ministra teo ampandraisam-pitenenana fa manana anjara andraikitra lehibe ireo ONG satria izy ireo no mpiara-miisa voalohany amin’ny Ministera amin’ny fanatanterahana ny tetikasa sy ireo tanjona kendren’ny Ministera toy ny fanatsarana sy fanomezan-danja ny harena anaty rano, ny fampiroboroboana ny fandraharahana eo amin’ny sehatry ny jono sy ny fiompiana trondro.
Ho fanamafisana ny fiaraha-miasa sy hanatsarana hatrany ny vokatry ny asa iombonana eo amin’ny roa tonta dia nisy ny fampahafantarana ny drafitrasa izay ho tanterahin’ny Ministera mandritra ny taona ho avy ary narahina famelabelarana mikasika ny anjara andraikitr’ ireo ONG tsirairay avy amin’ny paikady momba ny fitantanana sy ny fanomezan-danja ny harena voajanahary anaty rano.
Izao fihaonana teo amin’ny MPEB sy ireo ONG izao dia dingana iray lehibe hanamafisan’ny roa tonta amin’ny finiavana hanatratra miaraka ireo teboka lehibe izay mamaritra ny fototry ny fanarenana sy ny fanavaozana misy ankehitriny amin’ny alalan’ny famoronan’asa sy fanohanana ny fandraharahana ary ny fampandrosoana mirindra sy andraisan’ny rehetra anjara.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *