Tantsaha miisa 32 avy ao amin’ny kaominina Ranotsara sy Iakora izay samy ao anatin’ny distrikan’Iakora no nahazo tohana sy fiofanana izay nomen’ny ekipa avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena DRPEB Ihorombe ny faha 18 sy 19 Novambra 2025 teo.
Amin’ny maha rantsa-mangaikan’ny Ministera azy dia manohy ny fanatanterahana ireo asa sy fidinana eny ifotony. Zana-trondro niisa 3000 no nozaraina tamin’ireo mpiompy trondro tao Ranotsara Avaratra ary narahina fampiofanana izay nitondrana fanazavana ara-teknika momba ireo lohahevitra maro toy ny fiompiana trondro an-tanimbary, ny fomba fanamboarana sakafo hoan’ny trondro sy fitantanana azy.
Lohahevitra niompana tamin’ny teknika fampiterahana sy famokarana zana-trondro karpa kosa no nozaraina tamin’ireo mpiofana tonga naitrika tao Iakora.
Tanjona ny hanomezana tantsoroka ireo tantsaha misehatra amin’ity seha-pihariana ity mba hahafahana manohana azy ireo ka afaka hiroso bebe kokoa amin’ny fandraharahana sy famoronana asa manga mahavelona ihany koa.
Hitera-bokatsoa maro izany na eo amin’ny lafiny ara-tsosialy na ara-toekarena isan-tokantrano ary hahafahana miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ihany koa .
#MPEB #DRPEB #Ihorombe #Fampiofanana_fiompiana_trondro #Fampandrosoana_mirindra #Asa_manga #Fandraharahana_Manga
