Sehatra iray mbola tena malalaka ny fiompiana trondro ary singa iray mandrafitra ny Toekarena Manga. Izany no anisan’ny antony mahatonga ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga # MPEB manohy ny hetsika momba ny fampiofanana maimaimpona izay miompana amin’ ireo teknika fototra mba hahafahan’ireo tantsaha ho matihanina amin’izany.
Tantsaha 46 mianadahy avy ao Vohidahy no nisitraka fiofanana izay teo ambany fitarihan’ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga # DRPEB Amoron’i Mania ny faha 18 Novambra 2025 teo.
Na dia teo aza ny fahasoratana maro samihafa toy ny faharatsian-dàlana izay mampifandray ny kaominin’i Vohidahy sy ny renivohitry ny faritra dia tsy nahasakana ny ekipa izany ka tontosa soamantsara ny fampiofanana mba hanamarihana ny fahavononana hanampy ireto tantsaha hanana fari-piainana tsaratsara kokoa amin’ny alalan’ny fandraharahana madinika izay hiteraka tombony ara-tsosialy sy ara-toekarena ho azy ireo sy hoan’ny tanàna ihany koa. Ny tantsoroka avy amin’ny Appui Sectoriel no nahafahana nanatanteraka izao fidinana ifotony izao.
