Anisan’ny seha-pihariana manan-danja ho an’ny toekarena Malagasy sy antom-pivelomana ho an’olona maro an’isa ny jono madinika. Manoloana izany dia tsy diso anjara tamin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny jono madinika ny tao amin’ny faritra Alaotra Mangoro . Notanterahina tamin’ny alalan’ny hetsika fandrotsahana zana-trondro no nanamarihana izany fotoana izany izay natao tao amin’ny Distrikan’i Moramanga sy Ambatondrazaka ny faha 21 Novambra 2025.
Zana-trondro🐟🐟 tilapia miisa 10.000 sy karpa 5000 no narotsaka tamin’ny farihy niisa telo izay farihy tsy mbola nahitana tsindry ka izay no antony nosafidianana azy. Marihina fa ny taona lasa dia nankalazaina tao Ambatondrazaka ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny jono madinika io ka mba ho fitohizan’izay hetsika izay indrindra no anton’izao fandrotsahana zana-trondro izao ho tombontsoan’ireo mpanjono madinika sy hanatrarana ny fampandrosoana mirindra izay andraisan’ny rehetra Anjara.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *