Ny Fikambanana V.O.I MATEZASOA ao amin’ny Fkt Mafiovy-Korao, kaominina Trangahy, Distrikan’ Antsalova indray no VOI faha roa nanamafy ny fiarovana sy ny fitantanana ny Ranovory Antsohalehy ary ny Ala maiky manodidina azy izay misy ireo harena voajanahary isan-karazany toy ny vorona sy ny biby…sns toerana manana velarana sahabo 5.000 ha mahery.
Tontosa ny faha 21 Novambra 2025 teo arak’izany ny fifanaovan-tsonia ny Bokin’andraikitra mba ho marikin’ny famindram-pitantanana eo amin’ny Fanjakana sy ny VOI MATEZASOA ka manana 3 taona izy ireo amin’ izao fiandohany izao ary azo havaozina indray izany rehefa hita fa mahomby ny fitantanana .
Marihina fa ny WWF Maintirano no nanao ny tantsoroka nahafahana nanao izao hetsika izao ka ny teny Filamatra dia hoe: « Ala maiky sy Ranovory voaaro, mamelo ny ala honko, velomampo maharitsy » .

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *