Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny fanaraha-maso ny jono ny fandraisana anjaran’ny vondron’olona eny ifotony.Zava-dehibe araka izany ny fampiofanana azy ireo mba ho matihanina eo amin’ny asa izay ataony.Mpanara-maso ny jono miisa 15 mianadahy hiasa ao min’ny Faritra arovana tantanina eny ifotony ao Elodranto (APGL)no nanaraka fiofanana sy nozaraina fitaovana hoenti-miasa toy ny finday, salotra vonjy aina, torche, fitafy fitondra amin’ny orana, sns…ny faha 19 sy 20 Novambra 2025 teo.
Nitarika ny fampiofanana ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga DRPEB Anosy niaraka tamin’ireo solontenan’ny Foibe Fanaraha-maso ny Jono # CSP.Nanome ny tantsoroka ka nahafahana nanatontosa izany ny ONG Seed Madagasikara. Hetsika izay hijery manokana ny fiarovana mba hampaharitra ny harena an-dranomasina dia ny oratsimba izay mampiavaka iny faritra iny ary iray amin’ireo loharanonkarena izay mampidibola hoan’ny Faritra ary mampanjary ny velontenan’ireo mponina eny ifotony.
