Ho fampiroboroboana ny sehatry ny fampamokarana ny atirano dia mitohy hatrany ny fanomezana ny fampiofanana mikasika ny fiompiana trondro tao amin’ny Faritra Ihorombe ka tao amin’ny Fkt Ampandratokana, Kaominina Ambanivohitra Ankily, Distrikan’Ihosy no nanatanterahana izany ny fa 21 Novambra 2025 teo.
Ireo solontenan’ny tanora tantsaha avy ao amin’ny kaominina maromaro ao amin’ny Distrikan’Ihosy no nisitrika izany fampiofanana izany dia ny Kaominina Ambanivohitra( Antsoha, Zazafotsy, Ankily ,Tolohomiady, Mahasoa ary Ambia).
Miisa 35 ireo tonga niatrika ny fiofanana izay niompana tamin’ny fampianarana ny fahalalana fototra mahakasika ny fiompiana trondro toy ny fanamboarana dobon-trondro, ny fiompiana trondro an-tanimbary, ny fanamboarana sakafon-trondro ary ny fomba fitantanana azy. Izao fiofanana izao dia niarahan’ny ONG TSIMOKA sy ny DRPEB Ihorombe nanatontosa mba hampisy ny fampandrosoana mirindra sy hahatsara ihany koa ny ara -tsosialy sy ny fari-piainan’ ny vahoaka eny ifotony.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *